Nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanavaozana sekoly iray tao Ambohimiandra ny Mpianatra

Mpianatra nanavao sekoly

Ho fanatsarana ny tontolo fianarana tao amin’ny sekoly iray tao Ambohimiandra dia nifanaraka tamin’ny mpitantana tao ny mpikambana tato amin’ny Mpianatra fa hanavao ny efi-trano fianarana amin’ny fandokoana izany.

Olona miisa 2 tamin’ny Mpianatra no nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanatanterahana ny asa rehetra ary notohanan’ny 2 lahy hafa izany tamin’ny tolo-tanana teo amin’ny fanatanterahana ny asa fandokoana ny sekoly.

Ny fitaovana nampiasaina anatanterahana ireo asa ireo moa dia avy amin’ny mpikambana ao amin’ny Mpianatra avokoa.
Mirary taom-pianarana feno fahombiazana ho an’ireo mpianatra ao amin’ity fianarana ity ny Mpianatra ary maniry azy ireo hitombo fahalalana hatrany.

Comments

No comments yet. Why don’t you start the discussion?

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *