tongasoa

Ny NGO. Mpianatra dia fivondronana mpilatsaka an-tsitrapo misalaha amin'ny asa fampianarana. Tamin`ny taona 2017, rehefa tsikaritra fa misy fotoana ilaina ny fananana taratasy rehefa manao hetsika na koa adidy eo anivon`ny fiaraha-monina dia nanapan-kevitra izahay mpianatra mpinamana teto Sina fa anorona amin`ny fomba ofisialy ny "NGO Mpianatra".

Sary Mpianatra

Ny fankafizana ny asa atao, ny fivononana amin'ny ho avy, ny fahatsapana ny vokatsoan' ny fiasana mafy ary ny fitiavana ny firenena no teboka efatra lehibe mampandroso ny NGO. Mpianatra

Momban'ny NGO. Mpianatra

"Mpianatra" no anarana niantsoana anay fony mbola namonjy sekoly nianatra. Taty aoriana dia nampiasaina tamin`ireny hetsika fisoloana tena ny iray kilasy na iray fianarana mandritra ireny dinika na fivoriana iraisam-pirenena ireny indray ny anarana hoe Mpinanatra.

Taty aoriana dia nanomboka nampiasaina ho anaram-bositra ity anarana hoe mpianatra rehefa mitafa tamin`ny aterneto na koa manokatra kaonty amin`ny tranon-kala nisy fifandraisany tamin`ny fianarana.

Ny talen`ny sampana fikarohana sy fampandrosoana:

Ny "Mpianatra" dia nampiasaiko nandritra fony aho mbola navitrika tamin`ny firesahana sy fanehoan-kevitra tanatin`ny aterineto nandritra ny fotoana naha-mpianatra ny tenako. Taty aoriana dia nampiasaina nentina nizarana traikefa sy hevitra tamin`ny mpianatra hafa ny adiresy mpianatra.com

Nanomboka tamin`ny 2017 niforonan`ny Mpianatra dia ny mpianatra no filoha miandraikitra ny ONG.

img

Fifandraisana:

Raha misy hafatra na hevitra tianao ampitaina amin'ny NGO Mpianatra dia aza misalasala mameno ity takila ity. Zava-dehibe ho anay tokoa ny fahenoanay ny feonao satria izany no ahafahantsika mivoatra haingana.

  • +8618623167420
  • email@mpianatra.com
  • VJ 5 Bis Ambohimiandra, Antananarivo, Madagasikara
img
Scroll to Top