Ny vovonana Mpianatra

Ny ONG Mpianatra dia natsangana ny taona 2017, tamin’izany dia mbla mpianatra avokoa ny mpikambana. Ny tanjona voalohany ananan’ny Mpianatra dia ny fanampiana ireo mpianatra malagasy rehetra amin’ny fahitana lalana sy fomba maro samihafa ahafahany misondrotra eo amin’ny fiaraha-monina. Anisan’izany ny fanampiana ny mpianatra malagasy ahafantatra ireo sampam-pianarana afaka ratoviny na eto Madagasikara izany na any ivelany. Anisan’ny fomba fanaparihana izany ny fanaovana famelabelarana malalaka ary maimaim-poana ho an’ireo tanora, ahafahan’izy ireo mahalala bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fandratoana fianarana ary ny mety ho vokatr’izany.

Anisan’ny tetikasa ananan’ny Mpianatra ihany koa ny fanentanana ny mpianatra malagasy ho tia mamaky boky. Tsapa ny vondrona Mpianatra fa anisan’ireo mponina manerana tany tsy dia mamaky boky ny Malagasy. Anisan’ny antony voalohany amin’izany dia ny tsy fisian’ny loharano ahafahana mamaky boky na ihany koa ny tsy fisian’ny enti-manana amin’izany. Ho fandraisana anjara amin’ny fanamaivanana ny olana ara-bola dia nanokatra tranom-boky iray ny mpianatra teto Antananarivo ny taona 2017, izay ahitana boky hatramin’ny arivo isa. Boky izay azo vakian’ireo izay liana ary manaraka ny toetr’andro ihany koa.

Ankoatra ireo voatanisa etsy ambony, manampy ireo mpianatra Malagasy ao Madagasikara amin’ny fikarakarana vatsim-pianarana any ivelany ihany koa ny vondrona Mpianatra. Satria moa mpianatra nandrato fianarana tany Sina no ankamaroan’ny mpikambana ato, dia vatsim-pianarana mandeha any Sina no anomezan’ny vondrona fanampiana akaiky. Nanomboka tamin’ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2021 dia efa nanampy mpianatra miisa 4 ny vondrona mpianatra mba hisitraka vatsim-pianarana any Sina. Rehefa vita fianarana ireo tanora ireo dia malalaka amin’ny safidim-piainana tiany aleha ary afaka misafidy ny hody an-tanindrazana na mijanona miasa eto Sina. Anisan’ny soatoavina eken’ny vondrona Mpianatra ny fanampiana ny olona iray mba ho tafita mba tsy ho vesatry ny firenena. Rehefa any samy mba manana fahaleovan-tena avokoa mantsy ny vatan’olona malagasy dia afaka mandroso i Madagasikara. Rehefa tafita ny tena vao afaka mampandroso ny mampianatra ny hafa fa tsy ny hafa no atao tohatra ahatafita ny tena.

Ety am-pamaranana, fiasana sy fandalinana ny fomba ahafahana mizara fahalalana amin’ny vidiny mirary sy amin’ny kalitao tsara no tanjon-davitra ananan’ny vondrona ka izay rehetra liana amin’izany dia raisina an-kafaliana iara-isalahy amin’ny mpikambana ato amin’ny Mpianatra.

Comments

No comments yet. Why don’t you start the discussion?

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *